Fanafarana varin’i Madagasikara

370 000 taonina mahery tao anatin’ny 10 volana


  • Alarobia 27 Desambra 2023

Teo amin’ny 370 510 taonina ny vary nafaran’i Madagasikara tao anatin’ny 10 volana

voalohan’ny taona 2023, raha toa ka nahatratra 599 603 taonina tamin’ny taon-dasa, araka ny tatitra nataon’ny ODR (Observatoire du riz). Nisy fihenana 229 093 taonina izany raha raha ny kajikajy. Raha ny antontan’isan’ny foibem-pitantanan’ny fadin-tseranana, dia nahatratra 22 100 no naparitaka ho an’ny mpanjifa tamin’ny volana oktobra. Teo amin’ny 51,3 miliara Ar eo ny sandan’izay fanafarana izay, raha ny kajin’ny ladoany. Navoitran’ny ODR kosa, fa tsy nitsahatra nihena ny vidin’ny vary teo amin’ny tsena iraisam-pirenena tamin’ny volana oktobra satria nahatratra 3% teo. Anton’io ny fiotazana sy ny fipariahan’ny vokatra asiatika, ka somary marin-toerana ny vidim-bary teo amin’izay tsena iraisam-pirenena izay nanomboka ny fiandohan’ny novambra, kanefa misy fihakarana kely noho ny fiverenan’i Indonezia eo amin’ny tsena. Raha ny voafaritry ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2024 kosa, dia mamaritra ny fanjakana ao anatin’ny dingana voalohan’ny paikady nasionaly momba ny fampandrosoana ny fambolem-bary ny hanatrarana 6 tapitrisa taonina manomboka amin’io taona ho avy io. Tafiditra ao anatin’io tanjona io ny fanitarana ny tanimbary volena, fizarana zezika mineraly sy organika amin’ny mpamboly, fitaovam-pamokarana sy masomboly voafantina sy nohatsaraina,… Na izany aza, tena nataon’ny Fanjakana laharam-pahamehana ve ny famokarana sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo raha tarafina tamin’ireo laharamam-pahamehana sy ny asa natao ? Nomen-danja ve ny famokarana sa nihazakazaka tany amin’ny haitraitra tahaka ny kianja, teleferika, tanamasoandro,… ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT