Fanadiovana tatatra

tsentsina eto Antananarivo


  • Alarobia 25 Febroary 2026

Hanadinoina ny mahaolona manontolo mihitsy

Hanadinoina ny mahaolona manontolo mihitsy, izay no azo ilazana ny fomba tsy maintsy anadiovana ny tatatra tsentsina eto Antananarivo amin'izao fotoana izao, raha ny fanetsehan'ny fiadidiana ny Kaominin'Antananarivo renivohitra ireo vondron'olona ampanaoviny izany hatramin'ny omaly. Tsentsina tanteraka ireo lalan-drano rehefa fahavaratra toy izao eto Antananarivo renivohitra. Mifangaro ao anatin'io tatatra io avokoa ny fako sy maloton'ny mponina. Isan'ny fanazavana voaray moa ny hoe tsy ampy ny toerana ahafahan'ireo mponina eto Antananarivo manary izay karazana fako sy malotony izay, hany ka alaim-panahy izy hanarinary izany eny rehetra eny, na dia anatin'ireo tatatra tokony hifatraran'ireo ranon'orana aza mba tsy haha tondraka ny tanana toy ny fahita hatramin'izao aloha, raha ireo angom-baovao voaray hatrany.
Nangonin'i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT