Sosialy

FANADIOVANA SY FIDIOVANA Nifarana ny tetikasa SDAUM


  • Alarobia 29 Desambra 2021

Nifarana tamin’ity taona ity rehefa naharitra 15 taona ilay tetikasa SDAUM (Schéma directeur d’assainissement urbain de Madagascar) eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny rano sy ny fahadiovana ary ny fidiovana.

 Tetikasa nanomboka tamin’ny taona 2006 izy io raha tsiahivina, manana tanjona hanampy ny faritra sy ny toerana hiasany amin’ny ady hatao amin’ny fiparitahan’ny rano maloto sy ny fako no sady hanova ny toe-tsain’ny mpiara-belona ihany koa mba ho tia sy hanaja ny fahadiovana. Tao amin’ny hotel Colbert Antaninarenina no namaranana azy omaly ka fantatra tamin’izany fa toerana maro no efa nahavitan’ny tetikasa ilay schema directeur. Anisan’ny tanana natao filamatra manokana tao anatin’izany ny tananan’Antsirabe izay anisan’ny tanana be mponina indrindra. Raha araka ny fanazavan’Atoa Thierry Randriatoavina, tompon’andraikitra eo anivon’ny Ministeran’ny rano dia ezahina haparitaka manerana ny faritra maro ny tetikasa. Narahina fanaovana tomban’ezaka tamin’ny asa vita moa ny fihaonana omaly hahafahana manatsara kokoa hatrany ny ho avy.
Pati
Legende : Thierry Randriatoavina, tompon’andraikitra eo anivon’ny Ministeran’ny rano !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT