Sosialy

Fanadiovana sy fidiovana amin’ny rano Mila ny ezaky ny Malagasy tsirairay


  • Zoma 25 Mey 2018

Omaly no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny atrikasa fampiombonana sy famoriana ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny sehatry ny rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana.

Araka izany dia misy ny tahalam-pifandraisana sy fifanakalozana mba ahafahana mametraka ny paikady sy ny tetikasa rehetra mandritra ny atrikasa. Maro ny tokantrano na dia aty an-drenivohitra aza no tsy manana lavapiringa akory fa mitahiry sy miaina anaty maloto hatrany ary tsy vitsy ihany koa ireo rsy mbola misitraka rano fisotro madio. Izany rehetra izany anefa no miteraka loto sy valan’aretina tahaka ny aretin-kibo sy aretim-pivalanana. Maro ny zavatra hodinihina mandritra ity atrikasa haharitra 2 andro ity . Ho an’ny omaly manokana dia nitodika tamin’ny fanombohan’ny asa sy ny famaritana ny andraikitra mpiantsehatra tsirairay. Ny anio kosa dia hifantoka amin’ny ezaka ho fampahafantarana ny vahoaka Malagasy amin’io sehatra io mba samy hanao sy hifanampy amin’ny ezaka hanatrarana ny tanjona ho amin’ny fahadiovana sy fidiovana amin’ny rano. Hentanina ihany koa anefa ireo mpampiasa ny rano rehetra mba hahay handanjalanja tsara izany amin’ny tokony ho izy satria iaraha-mahalala fa lafo vidy ny rano. Tanjona ihany koa ny hampitovy ny Malagasy rehetra manerana ny nosy mba samy hisitraka rano fisotro madio sy mitovy vidy ihany koa.


Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT