Nanampy ara-bola sy ara-pitaovana i depiote Todisoa
Niroso tamin'ny fanajariana ny lakandrano Canal CP 3 izay izay manondraka tanimbary mirefy 600 hectares nefa tsentsin'ireo loto isan-karazany ny vahoaka teny Ambodihady Ambohimanarina sy ny manodidina faran'ny herinandro teo. Efa akaiky rahateo ihany koa ny fotoam-pahavaratra izay isan'ny olana eto Antananarivo sy ny manodidina ny resaka fitohanan'ny rano. Noho ny maha zava-dehibe izany, niditra an-tsehatra nivantana nanampy ara-bola sy ara-pitaovana ireo vahoaka nandritra io fanadiovana ny canal CP3 io ny depiote Todisoa Andriamampandry. Nirotsaka an-tsehatra mivantana niara-nihosona sy nanadio izany niaraka tamin'ireo tantsaha maro be nanao asa tanamaro, ka niantohana daholo fanatanterahana izany. Navitrika ny nifanome tanàna ho an'ny soa iombonana, resy lahatra amin'ny haitariky ny depioten'izy ireo izay na mpanao lalàna aza no tena asany, dia manamafy sy maneho fa miara-dalana sy mifanome tanana amin'ny vahoaka na amin'ny mora na amin'ny sarotra. Manentana antsika vahoaka samy hikojakoja izany ary ho sarotiny amin'ny fahadiovana, hoy ny Depiote Todisoa Andriamampandry.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.