Sosialy

Fanadiovana lakandrano Hanomboka anio ny asa


  • Zoma 10 Janoary 2020

Taorian’i Mahajanga izay vao avy lasibatry ny oram-be farany teo ka nisedra fahasimbana fotodrafitrasa maro samihafa dia izao niaina izany ny eto an-drenivohitra.

 

 

Nanoloana ny fahavoazana maro nateraky ny oram-be naharitra izay niarahana rivotra mahery ny alarobia lasa teo ho an’Antananarivo sy ny manodidina ankoatra ireo izay namoy ny ainy tamin’izany dia nidina ifotony nijery ny zava-misy ireo tomponandraikitra voakasiky ny fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenana. Teo ohatra ny APIPA sy ny SAMVA. Teo ihany koa ny teo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy toeram-ponenana ary ny asa vaventy (MAHTP). Nijery ny fahavoazana ka nanapahana hevitra fa horaisina fepetra haingana ny famahana ny olan’ny tondra-drano eto Antananarivo sy ny manodidina. Araka izany, manomboka anio dia hanao ny fanadiovana lakandrano ny eo anivon’ny MAHTP ka hiara-kisalahy amin’ny APIPA sy ny SAMVA. Raha ny nambaran’izy ireo teny an-toerana dia ny  fanetsenana lakandrano be tafahoatra no mahatonga ny tondra-drano toy ny eo Besarety.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT