Sosialy

Fanadiovana faobe Sady miasa no mitaiza vahoaka ny CUA


  • Alarobia 20 Jona 2018

Teny amin’ny faritra Isotry sy ny manodidina indray no nanohizan’ireo hery velona rehetra avy ao amin’ny Boriborintany voalohany ny hetsika fanadiovana faobe ny andron’ny omaly talata 19 jona 2018.

 

 Hetsika izay natao  ho fifampitaizana sy ho fanairana ny tsirairay mba  samy hitandro sy hanaja hatrany ny fahadiovana. Araka ny nambaran’ny delegen’ny Boriborintany voalohany Andriamatoa Raharivelo Tiana Harilaza dia « efa maro ny hetsika fanadiovana faobe izay efa natao teo anivon’ny Boriborintany. Ankehitriny kosa dia tsy mitsahatra ny manentana ny mponina izahay mba samy ho sarotiny amin’ny fahadiovana ary hanana fahasahiana miteny  raha mahatsikaritra olona manarinary fako eny rehetra eny », hoy izy. Mahafinaritra ny miasa sy miaina ao anaty tanàna madio koa samia mandray ny andraikitra tandrify azy ny tsirairay. Ny kaominina kosa etsy an-kilany dia hiezaka ny hanisy dabam-pako manerana ny tanàna.  Aorian’ny fetim-pirenena, izany hoe ny alarobia 27 jona 2018 dia efa manentana ireo mponin’Antananarivo Renivohitra sahady ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Boriborintany voalohany mba samy hiaraka hientana amin’ny fanadiovana goavana izay karakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tanàna hiaraha-manana mantsy Antananarivo koa samia saro-piaro amin’izany fahadiovan’ny tanàna izany, hoy ny hafatra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT