Sosialy

Fanadiovana an’i Mahamasina Voafehy ireo mpivarotra, ny fiara no mbola manondrana


  • Alatsinainy 20 Janoary 2020

Nadio tanteraka ny faritra Anosy sy Mahamasina nanomboka omaly maraina. Ireo fiara mitoetoe-poana anaty na

 

 

manamorona arabe kosa dia mbola hita mibahana ny fifamoivoizana.

Nimenomenona tamin’ny mpitandro filaminana ireo mpivarotra : “Tsy ny mpangalatra no henjehina. Ny Ben’ny tanàna vaovao milaza fa tsy misy fanalana mpivarotra. Sao misy manararaotra ohatra ny teny Anosibe eo indray dia izahay no omena tsiny….” Ireny no anisan’ny vavan’ireo mpivarotra tamin’ireo polisy izay nanala ireo efa nametraka entam-barotra tamin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra sy ny fialofan’ny mpandeha tamin’ny fiantsonan’ny taksibe. Feno mpivarotra tokoa teo amin’ny fialofana (sary) raha avy ny erika ka ireo mpiandry fiara fitaterana indray no nihafihafy. Andraikitra efa nampanantenain’ny “police de la route” ny alatsinainy teo ny fanalana ireo fiara rehetra mipetraka amoron-dalana sy anaty lalàna. Vao vita ny lalana teto Antananarivo Renivohitra dia feno hipoka fiarakodia manamorona sy anaty lalana. Ao moa ireo manatanteraka tsena ka minia manajanona izany eny an-dalambe. Manafintohina ny maro koa ireo mpamily izay mifanena dia mamonjy miresaka, mifampiarahaba amin’izao taom-baovao izao. Amin’ny fifehezana ny

fifamoivoizana toy izao no ilana “camera de surveillance”. Fantatra fa any ivelany, tsy ny fandehanana mafy ihany no mahavoasazy fa ny fandehanana mora ho an’ireo varian-dresaka na ireo mpamily sady mandeha mora no mividy zavatra amin’ireo mpivarotra mandehandeha amoron-dalana.

 

HN

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT