Tazana omaly tamina faritra maromaro teto Antananarivo renivohitra, tahaka ny teny Anosy, Mahamasina, Ambodifilao, Andravoahangy, Behoririka,
Tsiazotafo ireo fiaraben’ny kaominina mandroaka ny fako.Tena nisavovona tokoa satria maro ny olona nifamoivoy nandritra ny herinandro teo izany amin’ny maha vaninandro fety azy.Somary efa vitsivitsy ireo nivoaka nitsangatsangana na nitondra ny ankizy niala voly omaly, saingy tena mbola hita ny fako miparitaka etsy sy eroa, tsikaritra avy hatrany hoe fonosan-javatra avy nihinanana, sachet, tavoahangy, boaty kely, hazona masikita…Tena mbola goavana ny ezaka amin’ny fanentanana ny mponina eto Antananarivo amin’ny fikajiana ny fahadiovana satria hita fa tena samy manao izay saim-pantany.Ngeza sy mankadiry arak’izany no miandry ny ben’ny tanàna vaovao sy ny ekipany.Olona hentitra fomba fiasa, raha ny fahafantarana ny ben’ny tanàna vaovao Naina Andriantsitohaina satria efa nitantana orinasa maro izy, tsy eto Madagasikara ihany fa hatrany ivelany.Matoa izy lasa mpanefoefo sy nisongadina teo amin’ny sehatra politika , avy minisitry ny raharaham-bahiny dia voafidy ho ben’ny tanàna dia manana ny maha izy azy, na inona na inona resaka ambadika atao aloha.Miandry azy ny rehetra ny amin’ny fanadiovana sy fandaminana ny tanàna : ireo mpivarotra amoron-dalana, ny mpatory any ambany tonelina izay efa lasa fokontany kely mihitsy izao ny etsy Ambohidahy sy Behoririka.Ireo fanorenana tsy manara-penitra, ny fampitomboana ny trano fivoahana izay anisan’ny fandaharanasa nambarany nandritra ny fampielezan-kevitra , toa ny fanorenana trano fonenana (logements sociaux) ihany koa.Ny fandrehetana ny jiro amin’ny tanan-dehibe sy ny elakelan-trano.Maro ireo asa ary samy maika avokoa ny fahitana azy, ary tsy maintsy ampiarahana amin’izany ny fanentanana sy fanabeazana ny mponina mba hadio sy hahay hikajy ireo fotodrafitrasa iombonana.Fa raha ny zava-misy amin’izao fotoana aloha dia efa tsy mendrika ny maha renivohitra azy intsony Antananarivo fa sady maloto, no maimbo no mikorontana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.