Sosialy

Fanadiovan-drano mandehandeha Hanome rano fisotro madio olona miisa 13.000


  • Zoma 03 Jona 2022

Natolotry ny ambasadaoron’i Japon, Atoa Higuchi Yoshihiro, omaly ny rafitra fanadiovan-drano mandehandeha. Tonga nandray izany ny Ministry ny rano, ny fidiovana ary ny fanadiovana, Fidiniavo Ravokatra.

Ity tetik’asa ity izay manaporofo fa miroso ny fanatanterahana ny Velirano faharoa « rano ho an’ny rehetra » ary manampy betsaka amin’ny fizarana rano fisotro madio ihany koa. Antsoina hoe « fanomezana dimy amin’ny fanadiovana rano sy fanadiovana rano afaka afindrafindra » ny tetikasa, ao anatin’ilay tetikasa fampandrosoana ara-ekonomika sy ara-tsosialy, fanampiana izay tsy averina omen’ny fanjakana Japone ho an’i Madagasikara izay mitentina 200 tapitrisa Yen, 1 600 000 dolara na koa 7 200 tapitrisa ariary. Efa tamin’ny taona 2019 no notokanana tany Ampefy ny tetikasa fanadiovan-drano. Ity tetik’asa ity izay efa mipetraka any amin’ny Faritra 4 manerana an’i Madagasikara, Vakinakaratra, Betsiboka, Bongolava ary Matsiatra Ambony. Noho ity fanomezana avy amin’ny Governemanta Japone ity, olona manodidina ny 13 000 no misitraka rano fisotro madio. Ity fiarabe mpanadio rano ity dia efa nomena ny ministeran’ny rano, ny fidiovana ary ny fanadiovana, saingy vokatry ny fisian’ny valanaretina Covid-19 dia omaly , 02 Jona 2022 vao notanterahina ny fanolorana azy tamin’ny fomba ofisialy. Ity fiarabe ity dia afaka ampiasaina any amin’ny toerana faran’ny lavitra indrindra, na ihany koa amin’ny fotoana hisian’ny loza ara-boajanahary. Talohan’izao nanomezana azy izao dia efa nampiasaina tany amin’ny faritra Fianarantsoa sy Ambositra sy tany amin’ireo faritra nisian’ny loza ara-boajanahary tamin’ity taona ity nanampiana ireo traboina ity fiarabe ity. Mikasika ny fahadiovan’ny rano azo avy aminy kosa indray, efa misy ireo fitaovana fitiliana manokana mba hampanaharana ny fenitra iraisam-pirenena izay takian’ny vondrona iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana (OMS) ny rano azo avy aminy. Mandalo fitiliana ara-tsimika sy ara-microbiolojika ny rano mivoaka amin’ity fiarabe ity. Fa ankoatra izay dia mbola mandalo fitiliana any amin’ireo laboratoara toy ny an’ny orinasa JIRAMA sy ny Institut Pasteur ihany koa ny rano azo avy amin’ity fiarabe ity. Ny rano sy ny fidiovana dia tafiditra amin’ireo laharam-pahamehana eo amin’ny fiaraha-miasan’ny Governemanta Japone sy ny fanjakana Malagasy. Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony no nilazan’ny Ambasadaoro Japone ny fahavononan’izy ireo hatrany hiara-hiasa amin’i Madagasikara amin’ny lafiny fizarana rano fisotro madio sy ny tetikasa hafa.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT