Hotanterahina ny 27 aogositra ho avy izao ny fanadinana CEPE manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.
Hatreto dia ny taranja kajy no mbola tena atahoran’ireo mpiadina ankoatra ny taranja frantsay. Ho an’ny EPP etsy Antanimbarinandriana manokana ao anatin’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo Renivohitra dia misy ny fijerena manokana ireo kilonga madinika ao amin’ny taona fahadimy, hiatrika ny fanadinam-panjakana. Anisan’ireny ny fanomezana “cours” maimaimpoana ho azy ireo, 30 minitra isan’andro raha kely momba ireo taranja tena manahirana ireo mpianatra mba hahazoana vokatra mahomby. Nomarihin-dRatrema William, lehiben’ny vondro-panabeazana Accem moa fa manana anjara toerana lehibe ihany koa ny Ray aman-dreny amin’ny fikarakarana ny menaky ny ainy amin’izao ankatoky ny fanadinam-panjakana izao fa tsy ny mpanabe irery ihany. Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana tontolo milamina ho azy ireny, lavitry ny korontana sy ny disadisa. Mety sy tsara ihany koa, hoy ity mpampianatra matihanina ity ny mamerin-desona milamina sisa fa tsy miharitra be toy ny teo aloha intsony. Ho an’ny EPP Antanimbarinandriana manokana dia tsara ny mampahatsiahy fa miisa 187 ireo kilonga madinika hiatrika ny fanadinana CEPE. Tamin’ny 08 aogositra lasa teo izy ireo no niatrika ny fanadinana CEPE andrana faharoa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.