Sosialy

Fanadihadiana mahakasika ny fahantrana Hiankinan’ny drafi-pampandrosoana rehetra


  • Alatsinainy 03 Febroary 2020

2 herinandro izay no niaingan’ireo mpiasa miisa 124 handrakotra ny faritra 22 manatanteraka ny fanadihadiana mahakasika ny fahantrana EPM 2020 izay iandraiketan’ny INSTAT Anosy Ny fanaovana ity fanadihadiana ity dia hiteraka famoahana

 

 

antontanisa marina ary hitondrana vahaolana maharitra amin’ireo politikam-pampandrosoana hoentin’ny fanjakana mba hanatsara ny faripiainan'ny tokantrano Malagasy. Nanentana ny tokantrano izay notsongaina hotsidihina ny Tale jeneralin’ny Instat, Romalahy Isaora Zefania mba handray tsara ireo mpanadihady ary indrindra hamaly amin’ny fahamarinana ireo fanontaniana rehetra apetraka. Tsiahivina fa mbola antontanisa tamin'ny taona 2012 no ampiasain'ny INSTAT amin'izao fotoana izao hijerena ny faripiainan'ireo tokantrano Malagasy izay tena mandiso ny drafi-pampandrosoana rehetra satria sady tsy manaraka ny zava-misy marina izany no tsy mifanaraka intsony amin’ny fitombon’ny mponina. Ankoatr’izay dia ho fanitsiana ny mari-drefy mahakasika ny fahantrana no antony hanaovana ity fanadihadiana izay takian’ny mpiara-miombon’antoka ity ka ny banky iraisam-pirenena no mamatsy ny vola izany. Nanambara ihany koa ny Tale jeneraly fa haharitra herintaona ny EPM 2020 izay hatao amin’ny tokantrano miisa 20 000 eto Madagasikara.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT