Sosialy

Fanabeazana ny tanora Notokanana omaly ny “Coin Jeune” CEG 67ha


  • Talata 20 Aogositra 2019

Notokanana omaly ny ivontoerana ho an’ny tanora, atao hoe : « Coin Jeune », eny amin’ny CEG 67ha.

 

 

Miisa 8 ny tahaka ity manerana an’i Madagasikara, izay tohanan’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny mponina (UNFPA). Ahitana azy any Mananjary, Ifanadiana, Ambovombe, Toliara, Antsohihy ary misy anankiroa any Manakara. Ity vao notokanana omaly eny 67ha ity dia efa 8 taona no nisiany, saingy nasiam-panavaozana. Ho fanampin’ny fandaharam-pianarana mantsy dia misy fanabeazana maha olona ilain’ny ankizy, hisorohana ny tranga sasany, toy ny vohoka aloha loatra na ny fandraisana zava-mahadomelina. Araka izany, ho sehatra ifanakalozan’ny tanora amin’ny mpanabe ity « Coin Jeune » ity, ankoatra ny fialam-boly hita ao anatiny. Mbola tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora izao hetsika izao ary mamaly an’ilay paikady vaovaon’ny UNFPA, manana ny teny filamatra manao hoe : “vatako, fiainako, tontoloko”.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT