Sosialy

Fampodiana teratany Malagasy 3 tapitrisa Ariary ny tapakila iray avy any Inde


  • Alarobia 19 Aogositra 2020

Mitohy ny fampodiana an-tanindrazana ireo Malagasy tavela tany ivelany taorian’ny nikatonan’ny sisintany malagasy.

 

 

 Miditra amin’ny andiany faharoa ny sidina hataon’ny kaompania nasionaly Air Madagascar haka ireo teratany malagasy mihitsoka any ivelany ireo, taorian’ny sidina voalohany nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato-Antananarivo ny faran’ny herinandro teo, nitondra mpandeha 233 avy any Eorôpa ka noraisina tao Marseille sy Paris Frantsa. Ireo tavela any Inde no handrafitra ny andiany faharoa ity. Nitsabo tena, vita fianarana na koa fiofanana ny ankamaroan’izy ireo tafahitsoka tany. Nisy ny namoy ny ainy teo ampiandrasana izao fahafahana mody izao. Voatery nodorana ny faty. Miisa 248 izy ireo no nisoratra anarana handray fiaramanidina hiazo an’i Madagasikara. Hiainga ao Mumbai ny alakamisy 20 aogositra amin’ny 3ora maraina ny sidina MD 8161 an’ny Air Madagascar hitondra azy ireo. Miantoka ny sarandalany avy ny mpandeha, fanamorana ny fandefasana ny fiaramanidina no nataon’ny fanjakana. 3 tapitrisa Ariary (799 dolara) ny vidin’ny tapakila isan’olona ho an’ireo avy any Inde.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT