Sosialy

Fampivoarana ny fahasalamam-bahoaka Hanolotra 32,5 tapitrisa Euros ny vondrona Eoropeanina


  • Alarobia 25 Janoary 2023

Mbola azo lazaina ho ambany ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana eto amintsika. Ezahina hohatsaraina izany, manomboka izao.

Tonga nitsidika ara-panajana ny profesora Randriamanantany Zely Arivelo, Minisitry ny fahasalamam-bahoaka omaly ny Masoivohon'ny Vondrona Eoropeanina vaovao miasa sy monina eto Madagasikara, SEM Isabelle Delattre-Burger. Ny fampandrosoana hatrany ny rafi-pahasalamana ho fanatsarana ny kalitaon'ny tolotra ara-pahasalamana hositrahin’ny Malagasy no vontoatin-dresaka teo amin'ny roa tonta.Vola mitentina 32,5 tapitrisa Euros no ho atonton'ny Vondrona Eoropeanina ho an'i Madagasikara ho fampivoarana ny fahasalamam-bahoaka. Teti-bola izay hirona avy hatrany any amin'ny fampitaovana ireo tobim-pahasalamana, ny CSB sy ireo hopitaly lehibe ary ny fanamafisana ny traikefan'ireo mpiasan'ny fahasalamana miandraikitra mivantana ireo marary eny ifotony.Izany dia hitondra vokatsoa mivantana ho an’ny Malagasy tsirairay. Fijery iray ary tanjona iray amin’izao fiaraha-miasa mafy orina izao dia ny fahasalamana ho an'ny rehetra tsy ankanavaka na sokajin-taona na toeram-ponenana.
Legende : Ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka sy ny masoivohon’ny vondrona eoropeanina.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT