Sosialy

Fampivelarana ny asa tànana Nomena fiofanana ireo mpisehatra


  • Alarobia 04 Novambra 2020

Natolotra tamin’ny fomba ofisialy omaly 03 novambra 2020 ny taratasy manamarina ny fahavitan’ny fiofanana nataon' ireo mpanao asa tànana nanaraka fiofanana fanamafisana ny fahefa-manao momba ny fikirakirana sy fitantanana ny lalam-barotra manaraka ny teknolojia vaovao.

 

 

 

 Natrehan’ny Tale misahana fampandrosoana ny Sampam-pamokarana (DPF) sy ny Tale misahana ny fampahaizan’asa ny sehatry ny asa tànana (DPA) eo anivon’ny MICA na Minisitera’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asa tànana io. Ny Antenimieran’ny Asatanana eto Antananarivo (CAA) sy ny Tahiry Famantsiam-bola Malagasy ho Fampiofanana ny mpiasa (FMFP) no nikarakaraka ny fiofanana. Mikendry indrindra ny fampivoarana ny fahaiza-manaon’ny mpanao asa tànana sy ny fahafahan’izy ireo mampivelatra ny lalam-barotra misy manaraka ny teknolojia vaovao. Ho an’ny MICA dia isan’ny dingana lehibe eo amin’ny fampandrosoana ny seha-piharian’ny mpanao asa tànana ny fanarahana fiofanana tahaka izao ho fampivoarana hatrany ny sehatr’asa sahanin’izy ireo ary indrindra manandratra ny vokatra “Vita Malagasy”, ka voizina ny hoe: “Asa tànana malagasy: lalaina, jifaina, ampiasaina”.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT