Sosialy

Fampitoniana ny fanaintainana Efa manana ivontoerana afaka mandray izany i Madagasikara


  • Alakamisy 21 Jona 2018

Tsy misy aretina tsy mandalo fanaintainana. Saika miaina sy misedra izany avokoa ny marary rehetra, antony nijoroan’ny ivontoeram-pirenena misahana ny fanaintainana etsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha.

Tsy fantatry ny olona loatra anefa ny fisian’io, hoy ny dokotera Randriamisaina, tompon’andraikitra voalohany ao aminy, antony mahatonga ireo olona mandalo ao amin’izy ireo ho 15 ka hatramin’ny 30 isa  isan-kerinandro monja. Maimaimpoana ny fandraisana an-tanana ny marary raha ny fanazavany, toraka izay koa ny any amin’ny hopitalim-panjakana any Toamasina. Manana fitaovana miisa 20 izy io hahafahana mitsabo ireo marary te hanaisotra ny fanaintainana. Dimy ka hatramin’ny 30 minitra no hametahany izany amin’ny vatana dia mijanona ny fanaintainana raha efa miparitaka be  any ivelany io fitaovana io ankehitriny. Misy fomba hafa koa anefa ny fampitoniana ny fanaintainana amin’ny vatan’olombelona toy ny fanodinana ny sain’ny marary amina zavatra mahafinaritra mba ialana amin’ny fampiasana fanafody sy fitaovana. Nankalazaina omaly ny andro maneran-tany iadiana amin’ny fanaintainana. Tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha no nanatontosana izany narahin’ny fanamafisana ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny fikambanana  Douleur sans frontiere sy ny fakiolten’ny fitsaboana eny amin’ny anjerimanontolo ary ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Efa folo taona moa izay no niarahan’izy ireo niasa.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT