Fampiroboroboana ny sehatry ny jono

Mpiompy maro ao Betafo nisitraka karatra maha matihanina


  • Alarobia 23 Jolay 2025

Ho fampiroboroboana ny sehatry ny jono sy ny toekarena manga,

nisy ny fidinana ifotony nataon’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana, tao amin’ny Fokontany Andriamasoandro, Kaominina Ambonivohitra Betafo. Nisongadina tamin’izany ny fanohanana ara-teknika sy ara-panjakana ho an’ireo fikambanana mpiompy zana-trondro, tamin’ny alalan’ny fizarana karatra maha-matihanina amin’ny famokarana zana-trondro. Ireo mpiompy maro ao an-toerana no nahazo izany taratasy izany, izay hoenti-manamafy ny maha-ara-dalàna ny asan’izy ireo sy manome vahana ny fandraharahana. Fiaraha-mientana tamin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga ao Vakinankaratra no nahafahan’ny hetsika tanteraka, hoy ny depioten’i Betafo Livasoa Randriatahinamalala. Nandritra ny lahateny nataony, dia naneho fankasitrahana sy fanohanana tanteraka ny solombavambahoaka Livasoa Randriatahinamalala. "Mendrika ho tohanana sy ampiana tosika ny ezaka tahaka izao," hoy izy, nanamafy fa "ny mahasoa aloha vao ny mahafinaritra". Manamarika dingana iray lehibe eo amin’ny fanamafisana ny lalam-pihariana trondro ao amin’ny faritra ity hetsika ity, indrindra ho an’ireo miezaka manangana toekarena maharitra sy miorina amin’ny sehatra voajanahary.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT