Sosialy

Fampiroboroboana ny maha-olona Nahazo 100 tapitrisa dolara i Madagasikara


  • Talata 31 Martsa 2020

Nekena tany Washingtown tamin’ny 26 martsa lasa teo ny fampindramam-bola ho tohana ho an’ny fotodrafitr’olona (capital humain) eto Madagasikara.

 

 

 

Fantatra fa marefo ny firenena amin’io sehatra io ka mahatratra 100 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola izay avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ho fanohanana ny politikam-panjakana ny amin’ny fampandrosoana ny maha-olona. Tanjona ihany koa ny hanatsarana ny harena arak’olona amin’ny sehatra fahasalamana sy ny fanabeazana ary hananana tahiry ara-bola ny amin’ireo sehatra ara-tsosialy izay marefo eto amin’ny firenena. Ankoatr’izay dia nomena ihany koa izao fampindramam-bola izao hanamafisana ny fiarovana araka ny lalàna ny vehivavy sy ny ankizy.

 Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT