Tetikasa miompana amin’ny fampandrosoana ny Faritra Menabe sy Melaky ny AD2M (Appui au Développement du Menabe et du Melaky), miompana kokoa amin’ny fampandrosoana eny ambanivohitra.
Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezan-danja ny famokarana amin’ny alalan’ny tantsoroka teknika sy fampitaovana, ny resaka fiarovana eo amin’ny fananan-tany, fitantanana lovain-jafy ny harena voajanahary, ny fisitrahana làlam-barotra,… Kaominina 47 miparitaka amina distrika 7 no hiasany any amin’ireo faritra ireo, ka tokantrano 57 000 no kendrena hisitraka izany. Miditra amin’ny andiany faharoa ny AD2M ankehitriny, ary izay nandray anjara tamin’ny andro iraisam-pirenena momba ny fampiroboroboana ny tantely tany Morondava ny faran’ny herinandro teo. Lohahevitra 6 lehibe no nifampizarana tany Morondava dia ny Teknika famokarana tantely, ny antana-tohatra arahina mba hahazoana fankatoavana ara-panjakana, ny fahasalaman'ny tantely, ny fizohiana ny seha-pihariana tantely na ny "traçabilité", ny tohana nentin'ny tetikasa AD2M mahakasika ny fiompiana tantely, ary ny vovonan'ny mpiompy tantely Menabe (FITRAME). Natolotra tamin'ny fomba ofisialy ihany koa ireo fitaovana toy ny "Extracteurs à miel" miisa roa avy amin'ny tetikasa AD2M ho fanohanana ireo kaoperativan'ny tantsaha mpiompy tantely. Mikasika ny AD2M manokana, tany amin’ny 2014, dia efa nitari-dàlana ny olona tamin’ny asa sy tetikasa miteraka fidiram-bola na “Activités Génératrices de Révenus”. Namondrona ireo mpiompy hametraka ny “champs école paysans”, nahavita nanolotra tranon-tantely maoderina 1976 tamin’ny « champs école paysans » miisa 146, izay misy mpisitraka 1624,… Nandritra ity fotoana ity kosa no nanehoan’ny Minisitra lefitra misahana ny fiompiana Dr Raymond, fa nisian’ny ainga nandritra ny fikaonan-doha nanasongadinana ny tantely i Menabe, ary manana herijika sy tanjaka amin’io sehatra io ny any an-toerana. Vonona hifanome tànana ny rehetra. Vinan’ny minisitera ny hanitatra farim-pamokarana amin'ny alalan' ny fampitomboana andian-tantely, ary ny hampiakarana ny taham-panondranana hatramin'ny 30% .
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.