Fampiroboroana ny asa tànana

Raikitra manomboka anio ny « Noel de l’artisanat »


  • Alakamisy 12 Desambra 2024

Tanterahana manomboka anio 12 desambra hatramin’ny 14 desambra izao etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina

ny Tsenaben’ny Noely miompana amin’ny asa tànana, eo ambany fiahiahian’ny Minisiteran’ny fizahantany sy ny asa tanana. Vao avy niatrika ny Tsenaben’ny Asa Tanana izay nisiana fandraisana anjaran’ny mpanao asa tànana 104 isa teo, izay nahavelom-bolo ny mpanao asa tànana. Afa-po sy liana tamin’ny asa tanana ny rehetra, ka nanosika ny Minisiteran’ny asa tànana hoe : andao hasiana Tsenaben’ny Noely indray na « Noel de l’artisanat ». Liana amin’ny asa tanana ny olona satria misy vokatra vaovao foana, ary mila asa vaovao ny tanora ka marisika amin’ny asa tànana, hoy ny Rtoa Rasamijaona Malalaniaina Tale Jeneralin’ny Asa tànana. Efa nisy ny andiany voalohany teny amin’ny Ravinala Airports Ivato, ka nangataka ny mpanao asa tànana mba hanaovana izany eto an-dRenivohitra amin’ity andiany ity, ka izao hotanterahana eto an-dRenivohitra. Ny politikan’ny Minisitera dia maneho, fa ny fampiroboroboana ny sehatry ny asa tànana dia fampivoarana ny fiainan’ny mpanao asa tànana amin’ny alalan’ny vokatra izay ataony. Tsy maintsy misy sehatra hamarotana sy hahafahana mampanjifa izany anefa. Marina fa ikoizana maneran-tany ny asa tànana Malalagasy, ary efa misy ireo mpanafatra, efa tafakatra 22 tapitrisa euros any ho any ny vidin’ny asa tànana mandeha any ivelany. Mitsiriritra ihany koa ny mpanjifa eto an-toerana, ka antony nanaovana ny Noel de l’artisanat izay ezahana foana ny hanao izany isan-taona, ka irariana mba ho tonga betsaka ny mpitsidika, hoy hatrany ny mpikarakaraka. Hahatratra 72 eo ireo tranoheva, izay hisy sokajy telo eo, ary ankoatra ny varotra fampiratiana dia hisy ny fanentanana samihafa, tombola, fifaninanana ho an’ireo tranoheva mendrika indrindra eo amin’ny fampiratiana ataony, kaonferansa,… Nampiakarina ho ao ambony rihana ihany koa tsy hisian’ny olana raha sanatrian’izany misy ny orana, hoy ny eo anivon’ny mpikarakaraka.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT