Sosialy

Fampirantiana zavakanto any Venise Omem-boninahitra manokana i Joël Andrianomearisoa


  • Sabotsy 02 Martsa 2019

Manomboka amin’ny 11 mey ho avy izao dia hisy faritra hatokana ho an’i Madagasikara (pavillon Madagascar) ao anatin’ilay hetsika “Biennale de Venise”.

 

Fampirantiana zava-kanto ankehitriny (art contemporain) lehibe indrindra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy ity, izay tanterahina any Venise Italia, isaky ny 2 taona. Voalohany isika Malagay no handray anjara amin’ny hetsika. I Joël Andrianomearisoa no mpanakanto Malagasy hisolotena an’i Madagasikara. Ny Fondation H sy ny Axian no mpanohana ny “pavillon Madagascar”. Ao anatin’ny tanjon’izy ireo ny hampiroborobo ny zavakanto Malagasy maneran-tany. Manodidina ny 600.000 isa mantsy ny mpitsidika an’ity hetsika maharitra 6 volana ity. Fotoana hifaneraseran’ireo mpanakanto amin’ireo mpankafy zava-kanto sy ireo mpisehatra rehetra ao  ny “Biennale de Venise”, ka fanararaotra ho an’ireo artista te hivelatra maneran-tany. Taranja sy fahaiza-manao maromaro no hatambatr’i Joël Andrianomearisoa sy harantiny mandritra ity hetsika ity. Anisany ny saripika sy ny tefibika. Hitantara ny fiainana eto Madagasikara mandritra ny alina ireo sangan’asany, toy ny zava-misy eto Antananarivo, ny Rovan’Ilafy, ny farihin’i Tritriva… Horavahan’ireo sangan’asan’i JJ Rabearivelo izany.  “I Have Forgotten The Night” (Nohadinoiko ny alina) kosa ny lohahevitra itondrany ny fampirantiany. Haharitra hatramin’ny 24 novambra izao moa ity andiany faha-58 amin’ny hetsika “Biennale de Venise” ity.

 

Marigny A. sy Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT