Sosialy

Fampiofanana amin’ny fanorenana trano eto Madagasikara Tsy mamaly ny hetahetan’ny orinasa


  • Alakamisy 18 Oktobra 2018

Tsy mifanaraka amin’ny zavatra takian’ny eny anivon’ny orinasa intsony ny fampiofanana momba ny fanorenana trano misy eny amin’ny toeram-pianarana. Izany no antony nanaovana ny tetikasa FORMAPRO-BTP ho fanatsarana ny asa manodidina ny fananganana trano araka ny tatitry ny talen’ny LTPGCM

 

 

(Lycée Technique et Professionnel du Genie Civil de Mahamasina). 5 ny lisea filamatra erak’i Madagasikara ary anisan’ny tafiditra ao anatin’izany ny LTPGCM izay mampiofanana ny amin’ny tontolon’ny fanorenana  miafara amin’ny famitana tanteraka ny trano. Nisy ny famatsian’ny  masoivohon’ny frantsay ho amin’ny fampandrosoana (AFD) vola sy fitaovana ity ivon-toerana fampiofanana mba ho  fanatsarana sy ny fanamboarana ny fitaovam-piofanana maro isan-karazany ao. Ankoatr’izay dia hamafisina ihany koa  ny fampiofanana ireo mpampianatra ao amin’ity lisea ity mba ho tena matihanina amin’ny sehatra iandraiketany. Na dia betsaka aza ny olona mahay manangana trano dia hafa mihitsy ny mandalo fiofanana hoy ny tale satria maharaka hatrany ny teknolojia vaovao sy avo lenta hanafaingana sy hampaharitra ny asa.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT