Sosialy

Fampinonoan-dreny Mamonjy aina miisa 800.000 isan-taona


  • Alakamisy 22 Aogositra 2019

Araka ny fantatra dia ahafahana mamonjy aina miisa 800.000 isan-taona ny fampinonoan-dreny tsy misy fangarony, ka zaza latsaky ny enim-bolana ny ankamaroan'ireo.

 

 Ahafahana misoroka ny homamiadan'ny nono sy ny homamiadan'ny vozon'ny tranonjaza ihany koa ny fanaovana azy io ary misoroka ihany koa ny diabeta sokajy faharoa. Mbola ambany anefa ny tahan'ny fampinonoan-dreny tsy misy fangarony eto Madagasikara, satria dia amin'ny taha 51% izany, araka ny antontan'isa tamin'ny taon-dasa. Tokony ho ny 90%-n'ny vehivavy mampinono anefa no manao izany tsy misy fangarony, hatreo amin'ny faha-6 volan'ny zaza, raha ny toromariky ny sampandraharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny fahasalamana (OMS). Ny fandraisan'andraikitry ny rehetra, toy ny fiangonana, ny fikambanana isan-karazany, indrindra ny raim-pianakaviana, no ahafahana manatratra an'io tanjona io. Nomena sehatra rahateo, tamin'ity fanamarihana ny herinandrom-pirenena ho an'ny fampinonoan-dreny ity, ny raim-pianakaviana, tao anatin'ny lohahevitra hoe : ray aman-dreny mandray andraikitra, fampinonoan-dreny lavorary. Tany Miarinarivo Itasy no notontosaina ny fanokafana ofisialy, omaly, niaraka tamin'ny fanolorana loka ho an'ireo raim-pianakaviana maodely, izay nifaninana tamin'ny lalao notontosaina tany an-toerana.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT