Fampilaharana be amin’ny zavatra bôjy

Miharihary ny filalaovana fahantram-bahoaka…


  • Talata 19 Desambra 2023

Mitohy ny fampilaharana vahoaka amin’ny fizarana zavatra mba hanehoana fa miasa ny Fanjakana.

Taorian’ny Tombola, niverina nitohy ny filaharana lavareny mba hahafahana misitraka ilay jiro avy amin’ny fitondrana, raha ny hita tetsy amin’ny Colliseum Antsonjombe, kianja Malacam Antanimena,… ny andron’ny omaly ? Asa na tsy manana asa aman-draharaha ireny vahoaka ireny na ahoana fa tena mahafoy andro sy fotoana ary miaritra hafanana sy hain’andro mba hahazoana ilay jiro. Eo ny fitezana vahoaka amin’ny kirazara izay efa fomba fiasan’ny Fitondrana volomboasary hatramin’izay, saingy tsy nahavaha olana fa karazana pimaso ara-politika hoenti-manjono ny olona. Endrika mampibaribary ny fahantrana lalin’ny vahoaka ihany koa io, ka zara aza misy manome, ka hanaovana ady sisika mihitsy ny fakana izany. Ny mpitondra rahateo moa zarany aza miharihary sy hitan’ny rehetra ny filaharam-be etsy sy eroa mba hanehoana fa liana sy resy lahatra amin’ny zavatra ataony ny olona, ka toa fahafinaretana ilay mampijaly sy mampilahatra vahoaka amin’ny zavatra bôjy, izay tsy ny rehetra no misitraka kanefa ny rehetra no mandoa hetra miditra amin’ny kitapombolam-panjakana. Tsy azo nalamina sy narindra tany amin’ny fokontany ve ohatra ? Zary tafiditra sy lasa kolontsaina ilay sitrany ahay, zatra mahazo zavatra bôjy, tezaina amin’ny kisendrasendra toy ny Tombola,… Andaniny, toa lasa asa sy programam-panjakana ny mamorivory vahoaka sy manao serasera amin’ny fizarana azy ireny. Marina fa misy ny tombotsoa avy aminy fa moa tena io ve no maika sa dia tena hoe : fanaovana valim-babena tamin’ny fifidianana tokoa ? Ny fepetra ahazoana azy mbola azo hiadian-kevitra hoe : karinam-pokontany volom-boasary sy karatra maha mpikambana TGV ka asa na volan’antoko na volam-bahoaka no laniana amin’ireny ? Mbola resaka hafa ihany koa ny mety ho tsy fangaraharahan’ny tsenambaro-panjakana tamin’io tetikasa io ? Volam-bahoaka no hafafy amin’ireny, saingy ampahan’olona no ampisitrahana azy, ary zary natao hisintonana ny olona hiditra ao anatin’ny antokon’ny volomboasary, raha ny nambaran’ny olona nandritra ny filaharana teny Ankorondrano ny herinandro lasa teo fa isan’ny fepetra io. Raha angovo ahafahana mamokatra sy mihary no andrasana dia toa niova ho tetikasa « jiron’akoho » ilay fampanantenana 400MW ao anatin’ny 5 taona raha ny karazana tsikera ataon’ny olom-pirenena samihafa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT