Nanao fanambarana ireo rehetra mahatsiaro ho voatohintohina eo anatrehan’ny fampikatsoana ny orinasa kraomita Malagasy any Brieville omaly, ka mangataka ny famahana ao anatin’ny fotoana fohy ny olana.
Tafiditra ao anatin’izany ireo zanaky ny mpiasa, ny mpitatitra kraoma sy ireo mpiara-miombon’antoka mivelona mivantana sy an-kolaka amin’ity orinasa ity. Manoloana ny fitakian’ireo olona vitsivitsy ao anatin’ny sendika miteraka fikatsoana tanteraka eo amin’ny orinasa efa ho 4 volana any ho any izay, dia tsy voaloa ny karaman’ny mpiasa, maty ny jiro manazava ny tanànan’i Brieville, manjaka ny tsy fandriampahalemana, tsy mandeha ny antom-pivelomana andavanandro, noana ny fianakaviamben’ny mpiasa ka tsy afaka mianatra hatramin’ny zanaky ny mpiasa, hoy ny fanambarana novakian’Atoa Rakotoarisoa Jean Louis, iray amin’ireo Raiamandreny mpitarika. Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana mahefa mba hamaha ny olana farany haingana izy ireo. Tokony hifampiresaka amin’ny sendika ny fitondram-panjakana satria ny mpiasa izao any Brieville, dia roa volana tsy nandray karama. Fatiantoka tanteraka ho anay izao satria izahay dia nampiasa volabe, nividy kamio, nividy kodiarana amin’ny karana amin’ny alalan’ny taratasim-bola, hoy Atoa Rakotonirina Serge avy amin’ny mpitatitra ao anatin’ny Kraoma. Karamana mpiasa 500 eo moa no tsy voaloa noho ny tsy fahombiazam-pitantanana tany aloha, ary re fa nitaky “audit” na fanadihadiana lalina mikasika ny tsy fahefana ny karama mialoha ny hamahany ny olana ny orinasa vahiny iray miara-miombon’antoka amin’ny kraoma.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.