Sosialy

Fampihenana ny loza voajanahary Handray anjara amin’ny fiatrehana izany i Madagasikara


  • Alarobia 05 Desambra 2018

Handray anjara amin’ny fiatrehana ny fampihenana ny fiantraikan’ny loza voajanahary amin’ny mpiara-belona i Madagasikara taorian’ny nanatanterahana ilay fifanarahana tany Sendai Japon nosoniavin’ireo firenena maro maneran-tany.

 

 

 Amin’ny alalan’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary no hanatanterahana izany eto amintsika izay nanatanteraka atrikasa avy hatrany niarahana tamin’ireo fikambanana sy ONG maro samihafa mpiara-miombon’antoka aminy tetsy amin’ny Live hotel omaly. Hisy ny fametrahana paikady hahafahana miatrika ny loza sy manamaivana izany,  manomboka eny anivon’ireo vondron’olona ifotony raha araka ny fanazavan’ny lieutnant colonel Faly, anisan’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Bngrc. Jerena ao anatin’izany ny dingana efa vita nanomboka tamin’ny taona 2017  raha araka ny fanazavany toy ny fanofanana ireo mpilatsaka an-tsitrapo izay manampy betsaka ireo olona lasibatry ny rivodoza sy ny fiakaran’ny renirano lava, indrindra fa ny eny amin’ny faritra iva. Faritra 11 isa hatreto no efa nanaovan’ny Bngrc ezaka ka ho an’ny Faritra Analamanga manokana dia amin’ity herinandro ity ihany dia hotanterahina ny fanavaozana. Vao avy tao anatin’ny andro vitsy mantsy ny ranon’orana dia betsaka sahady ireo faritra tondraka izay nambaran’ny Bngrc fa hojerena akaiky ho fanampiana ny mpiara-belona.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT