Sosialy

Fampihenana ny entona karbona Mampiasa angovo avy amin’ny masoandro ny WWF


  • Zoma 11 Janoary 2019

Nanao dingana be amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina, ka mampiasa izany ao amin’ny birao foibeny ny sampan-draharaha iraisam-pirenena momba ny zava-boahary na ny WWF.

 

 

 

 Noho ny tolo-tànana avy amin’ny orinasa sinoa Trina Solar, dia misitraka ny takelaka mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 54 isa manome herinaratra manana tanjaka 12 kwh ny biraon’ny WWF eny Antsakaviro. Ampiarahana amin’ny fitaovana mitahiry herinaratra dia ny “onduleurs” izany amin’ny famatsiana herinaratra ho an’ny toeram-piasana. Mamokatra herinaratra, izay misy ambim-bava mihitsy, ka ary hanampiana ny an’ny Jirama ny tsy lany. Zava-dehibe ao anatin’izao ny fiantraika ara-tontolo iainana noho ny fihenan’ny entona karbona (C02). Ny “onduleur” dia manome tondro isan’andro ny famokarana angovo azo miampy ny fihenan’ny CO2 ao amin’ny  toeram-piasana; Ohatra iray amin’izany ny tamin’ny 2 desambra 2018, namokaranay 53 kwh ary ny fihenan’ny entona karbona ho 37, hoy ny fanazavan-dRtoa Zina Rakotoarisoa avy amin’ny WWF.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT