Sosialy

Fampidirana mpiasam-panjakana 9498 ny toerana vaovao hoforonina


  • Alakamisy 17 Novambra 2022

Mahatratra 9498 ny toerana na « postes budgétaires » vaovao hoforonina ao anatin’ireo sehatra isan’ny ambony ny tetibolany ao anatin’ny tetibolam-panjakana dia ny fanabeazana, ny fahasalamana,

ary ampian’ny filaminanana anatiny sy fitsarana. Mifototra amin’ny fampidirana mpiasam-panjakana io mazava ho azy, ka 3488 handeha amin’ny alalan’ny fifaninanana na « par voie de concours administratifs » ary ny 6 010 kosa miainga amin’ny tolotr’asa mivantana. 3 943 ny toerana eo anivon’ny Minisiteran’ny fanabeazana, 500 ho an’ny minisiteran’ny fahasalamana, 712 ho an'ny Minisiteran’ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa, 1 270 ho an’ny Minisiteran’ny fitsarana, 1 420 ho an’ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka, 830 ho an’ny eo anivon’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena, ary 823 kosa ho an’ny Sekretariam-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena. Ankoatra ny toerana vaovao hoforonina, miisa 2 955 ireo « agent » ireo nivoaka tamin’ny fiofanana ara-panjakana sy niainga tamin’ny fifaninana ho an’ny 2021 no hiditra amin’ireo toerana efa voafaritra ho azy avy : 30 officiers de police, 20 commissaires de police ho an’ny 2021, mpianatra zandary 1 500, mpamory hetra 35, mpianatra ho inspekteran’ny polisy 220 sy mpianatra ho « agent de police » 1150 ireo. Miisa 5 311 kosa ireo handeha hisotro ronono rehetra any amin’ny Minisitera samihafa ho an’ny taona 2023.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT