Sosialy

Fampidirana jiro sy rano Tsy maintsy voaloha ny hetran-trano vao mety


  • Sabotsy 09 Mey 2020

Betsaka ireo olona tsy manao ho laharam-pahamehana ny fandoavan-ketra na dia tamin’ny fotoana tsy mbola nisian’ny coronavirus teto amintsika aza.

 

 

 

 Saika ambin-javatra hatrany izany hany ka tsy vitsy ireo kaominina no mitaraina. Mba hahafahana manampy ireto farany ary dia fantatra fa tsy afaka mampiditra jiro na rano ao an-tokantranony intsony ny olona iray nahavita trano raha tsy nahaefa ny hetran’ny tranony tao anatin’ny 3 taona misesy. Toraka izany koa ny fahazoana ilay taratasy fahazoan-dalana hanorina trano avy amin’ny kaominina iny izay takian’ny JIRAMA. Tanjona ny hamporisihina ny isan-tokantrano mba hanefa izany izay amin’ny sarany 5.000 Ar isam-bolana raha tsiahivina hahafahana manao asa fampandrosoana ao amin’ny faritra misy azy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT