Sosialy

Fampidinana ny vidin’entana Tena tsy afaka manao don-tandroka ve Fanjakana?


  • Alakamisy 07 Aprily 2022

Tena henjana ny fifehezana ny vidim-piainana, ary io lasa adihevitra io mikasika ny fameran’ny Fanjakana ny vidin’entana farany ambony azo ampiharina.

 Tena mahavaha olana ve anefa ? Menaka novidiana 8300Ar ny litatra noferana hà 9500Ar ny farany ambony, entona fandrehitra 72000Ar lasa 82500Ar,… Tena izay ve ilay nandrasana? Mahomby ve ny vahaolana? Misy ny orinasa SPM (State Procurment of Madagascar) izay natsangana ny novambra 2019, nambara fa hanafatra mivantana ny entana ilaina andavanandro ialana amin’ny fanararaotana. Tsy mahomby ve izany kan aleo nifampiraharaha tamin’ny mpandraharaha? Tsy misy vola ve ny Fanjakana ka ny vary no tena hafarana fa ny zavatra hafa tsy dia hita soritra. Raha vao 5 volana monja no nitondran’ny filoha Andry Rajoelina ny firenena dia nampidina 100Ar teo ny vidin’ny solika izy ary voatazona izany mandraka ankehitriny. Mety mbola afaka miverina mandon-databatra indray mandeha ve ny filoha hampidina ny vidin’ny PPN fa tena efa niakatra avo be ka tsy takatry ny sarababem-bahoaka intsony? Hoy ny fanamarihana. Misy ihany ny manana tohatra hanakarana azy fa rehefa mba mangataka aminy ianao dia miteny izy hoe “Manakara”. Miangavy ny filoha hajaina mba hametraka CCO (Centre de Commandement Opérationnel) mikasika an’io vidim-piainana midangana io toy ny natao tamin’ny COVID-19 sy ny Kere any atsimo satria efa lasa loza tsy voajanahary mahazo ny tanindrazana ilay izy, hoy hatrany ny antso avo. Ny fepetra noraisina rahateo mihatra eto Analamanga ihany hatreto, kanefa i Madagasikara manontolo no sahirana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT