Nandritra ny fihaonan`ny filoha Rajoelina tamin`ny mpanao gazety teny Iavoloha ny volana janoary lasa teo dia nanambara izy fa
hampiasaina ny tahirim-bolan`ny CNaPS entina hanatanterahina ireo tanàna vaovao sy toeram-ponenana. Hitodika amin`ny tahirim-bolam-panjakana toy izay hiankin-doha amin`ny mpamatsy vola. Manana tahiry manokana moa ny Cnaps ary afaka manampy tokoa ny fanatanterahana ireo tetikasa ireo. Ankoatra izay, dia afaka mampitombo ny volan`ireo mpandoa latsakemboka ao aminy ihany koa izy. Tsara ihany ny hevitra saingy ny zava-misy eto Madagasikara no tsy hahafahana manatanteraka izany. Amin`izao, Madagasikara dia firenena marefo izay hanjakan`ny kolikoly. Rehefa miresaka kolikoly dia tafiditra ao anatin`izany ny fanodinkodinam-bolam-panjakana indrindra ny tsenambarom-panjakana, izay tena ahitana trangana kolikoly isan-karazany, sady fehezin`ny fanjakana tanteraka. Anisan`ny tsenam-baro-panjakana goavana ho avy moa ny tetikasa goavana ao anatin`ny vinan`ny fitondrana momba ny tanàna vaovao sy toeram-ponenana ary maro dia maro ireo miandry izany. Hatreto aloha dia toa tsy mahasakana ny fitondram-panjakana ny lalàna mifehy ny tsenam-baro-panjakana hifehezana ity sehatra ity amin`ny alalan`ny kitranoantrano amin`ny fanomezana ny tolotr`asa… Eo ihany koa ny fitarazohan`ny fomba fiasa toy ny fampahafantarana ny vidin`ny tolotra. Tsy famoahana an-gazety ireny tolotra ireny ka olom-bitsy ihany no mahafantatra sy mahazo ny tsena na ny efa mahazo ihany ny miverina mahazo. Izany anefa no fomba hisorohana ny fanabontsinana faktiora amin`ny fanatanterahana ny asa. Tsy ara-dalàna ny 50% amin`ny tsenam-panjakana ary tsy misy mangarahara, hoy ireo mpandraharaha maro. Antony mahatonga ny fanjakana hifehy ny tahirim-bolam-panjakana (caisse nationale) ve izany ? Amin`izay mantsy, raha misy tranga fanodinkodinam-bola dia mety voasarontsarona moramora eny ve ? Tsy voahaja ary mbola lavitra ezaka ho an`i Madagasikara ny fepetra momba ny fitantanana ho an`ny seha-panjakana. Marihina fa efa nampiaka-peo mahakasika azy io ny FISEMA (confédération générale des syndicats des travailleurs de Madagascar). Raha toa ka eken`ny CNaPS ary ny fangatahan`ny filoha Rajoelina dia ho tafaverina ara-potoana ve izay vola hindramin`ny fanjakana ? Raha tsy tojo amin`ny tanjona hiriana ny tetikasa goavana, dia manana ireo fitaovana entina hamerenana izany ve ny fanjakana ? Hatreto, maro ireo fanontaniana tsy ahazoam-baliny ka lasa miteraka ahiahy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.