Sosialy

Fampiasana zaza hitrandraka eladrano Sarotiny ary hiditra an-tsehatra ny Amerikana


  • Zoma 05 Mey 2023

Miara-miasa hiady amin’ny fampiasana zaza amin’ny fitrandrahana eladrano any amin’ny farita Anosy ny governemanta amerikana sy ny fikambanana tsy miankina PACT.

 Manodidina ny 10 000 ireo zaza amin’ny toeram-pitrandrahana mety hampidi-doza ireo fitrandrahana eladrano na mica tsy ara-dalàna eto Madagasikara. Betsaka ireo zaza no lasibatry ny aretin’ny taovam-pisefoana noho ny vovoka eladrano satria ireo zazalahy matetika dia misitrika any anaty lavaka maka izany, ary mety ho maty sempotra,... Ireo zazavavy indray dia mitatitra ireo eladrano ety ambony ary matetika dia iharan’ny fanararaotana ara-nofo. Hiady ampin’ny fampiasana zaza amin’io sehatra io ny tetikasa Madagascar Shines izay fifanaraham-piaraha-miasa mitentina 4 500 000 dolara ary tohanan’ny Departemantam-panjakana Amerikana misahana ny asa na DOL sy fikambanana iraisam-pirenena tsy miankiana PACT. Handeha ho any Taolagnaro ny solontenan’ny DOL Natalie Kosloff ny 9 sy 10 May izao ary hihaona amin’ireo mpisehatra ifotony hamolavola drafitra fanaraha-maso sy fanaovana tombana ny tetikasa. Lohalaharana amin’ny fanondranana eladrano i Madagasikara ka ny 87 % ny vokatra vokariny dia alefa any Sina ary ampiasain’ireo orinasa sinoa hamokarana kojakoja mandeha amin’ny herinaratra sy kojakojam-piarakodia izay amidy maneran-tany. Miaina anaty fahantrana lalina anefa ireo mpamokatra eladrano eto Madagasikara ary manampy trotraka izany ireo tsindry ara-toekarena nateraky ny valan’aretina Covid-19 sy ny haintany lavareny izay nampitotongana ny vidin’ny eladrano sy ny vola mididitra amin’ireo fianakaviana, nampihena ny vokatry ny fambolena ary nampiakatra ny vidin’ny sakafo sy nampitombo ny tsy fandriampahalemana. Vokany, maro ireo fianakaviana voatery mandefa ireo zaza hitrandraka eladrano hitady vola. Hanampy ny fianakavian’ireo zaza mpitrandraka amin’ny fampianarana ankizy miisa 1 800 sy fanampiana ny asa fiveloman’ny olon-dehibe miisa 2 200 noho izany ity tetikasa ity, hanentana sy hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo mpiasam-panjakana hanatsara ny fampiharana ireo fepetra fiarovana ny zaza, hametraka fitsipipi-tondran-tena eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana eladrano.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT