Sosialy

Fampiasana trano fivoahana tsy vita Samy voasazy ilay nanao maloto sy ilay noratrainy


  • Zoma 10 Jolay 2020

Niakatra fitsarana tamin’ny alatsinainy 29 jona lasa teo, tao amin ny lapan'ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Antalaha, ilay raharaha fampiasana trano fivoahana mbola tsy vita nisian’ny fandratrana olona roa.

 

Sazy mihatra 1 taona ho an’ilay nahavanon-doza no vokatr’izany raha toa ka sazy mihantona mitovy amin'izany ihany koa ho an’ilay naratra. Mbola tsy nalefa an-trano maizina avy hatrany ilay nahavanon-doza, noho izy nilaza mbola hampiakatra ny raharaha amin'ny fitsarana ambony, satria tsy afa-po tamin’ny didy nivoaka. Raha tsiahivina ny zava-niseho dia tamin'ny alakamisy 23 aprily tokony tamin'ny 6ora hariva dia taitra ity mpanofa trano ity raha nahita sahady olona nanao maloto tao amin'ny trano fivoahana (WC), izay mbola eo andalam-pamitany azy. Noho ny hagagany miampy ny hatezerana, dia nahavoaka teny mahery izy, tamin'izany.. Tsy tapitra akory anefa ny fimenomenomany, dia nivoaka ilay voatondro ho "sécurité" mpanofa trano mifanila-bodirindrina aminy. Tsy nisy resaka nandritra izany fa tonga dia nidaroka ary nikasa hamono mihitsy ity farany. Mbola nodarohany ihany koa ilay Ramatoa tompon-trano, izay niezaka nanelanelana. Naratra ihany koa ity farany.

Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT