Sosialy

Fampiasana ny fandrindram-piterahana 12 taona dia efa manao izany ny ankizivavy


  • Alarobia 08 Mey 2019

12 taona efa mampiasa fomba fandrindram-piterahana na FISA ireo tovovavy kely eto amintsika raha sivy taona no zandriny indrindra any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy.

 

 

 

Amin’ny ankapobeny, ireo pilina atelina no tena ampiasain’izy ireo. Vao  ny 38,9 %-n’ny vehivavy Malagasy no mampiasa azy ireny  raha efa mahatratra 43 % ho an’ireo tobim-pahasalamana miara-miasa akaiky amin’ny FISA. Latsaky ny 25 taona ny ankamaroan’izy ireo. Mbola sakana tsy hahafahan’ny sasany mampiasa izany kosa ny tahotra ny hanatona tobim-pahasalamana sy ny  tsy fahafahana miresaka ny fananahana noho izy io mbola voasokajy ho saro-pady any amin’ny faritra hafa. Mba hahafahana mampitombo hatrany ny tahan’ireo vehivavy mampiasa izany ary dia hanao hetsika goavana etsy amin’ny le pave Antaninarenina ny FISA ny 15 mey ho avy izao. Lohahevitra hovoaboasana ny momba ny fandrindram-piterahana sy ny fiainam-pianakaviana izay hanasana ny rehetra. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana  ny herinandron’ny fianakaviana sambatra ny FISA  izay homarihina  ny 13 ka hatramin’ny 18 mey ho avy izao ny fikambanana nampiditra voalohany ny fomba fandrindram-piterahana teto amintsika no sady efa 50 taona katroka ankehitriny. Hisy ny hetsika hotanterahin’ny FISA manerana  ny Nosy, hoy ny dokotera Razafindrafara Malula Larissa ka anisan’ireny ny tolotra fanabeazana aizana omena maimaimpoana ny vehivavy hahafahany manatsara kokoa hatrany ny fiainany.

 

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT