Sosialy

Fampiasana hiran’ny artista mandritra ny propagandy Handoavana sarany any amin’ny OMDA


  • Alatsinainy 15 Oktobra 2018

Tokony handoavana sarany any amin’ny OMDA ( office Malgache des droits d’auteur) ny fampiasan’ireo kandida hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena ny sangan’asan’ny mpanakanto amin’izao fotoanan’ny fampielezan-kevitra izao.

Raha araka ny fanazavan’Atoa Ranjarivo Haja, talen’ny OMDA dia efa nisy ny resaka nifanaovan’izy ireo tamin’ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana mikasika izany na ny CENI. Efa nisy ihany koa ny fampahafantarana nataon’izy ireo tamin’ireo kandida ka efa nisy ireo tonga nanatona azy ireo raha misy ihany koa ireo vao handehanana any amin’ny foiben-toerany ( quartier general). Nomarihin’Atoa Ranjarivo Haja  fa na fampisehoana no hatao na fampiasana hira entina mandehandeha eny rehetra eny dia tokony handoavana sarany hatrany izany ho fiarovana ny zon’ny mpamorona.  Izay no antom-pisian’izy ireo hanampy ny mpanakanto amin’ny fiarovana ny sangan’asany, hoy hatrany izy.

 Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT