Sosialy

Fampiasana fanafody tsy manara-penitra Handray fepetra hentitra ny fanjakana


  • Zoma 09 Aogositra 2019

Manomboka mirongatra ny tsy fahombiazan’ny fampiasana fanafody amin’ny fitsaboana eto amintsika.

Olona maro no voakasik’izany raha ny vaovao azo omaly toy ireo olona tratry ny aretina tiberkilaozy na raboka nefa rehefa omen’ny dokotera  fanafody mifandraika amin’izay dia tsy mety sitrana intsony. Antony maro no mahatonga izany raha araka ny fanazavan’ny profesora Julio Rakotonirina minisitry ny fahasalamam-bahoaka tamin’ny mpanao gazety omaly. Anisan’ireny ny fampiasana  fanafody tsy manara-penitra, ny fividianana fanafody eny anelakela-trano, indrindra ny fampiasana ireny karazam-panafody famonoana bibikely ireny amin’ny karazana fambolena. Tsy maintsy handray fepetra hoenti-miady amin’izany ny minisitera telo tonta, dia ny minisiteran’ny fahasalamana, ny tontolo iainana  ary ny fiompiana sy ny jono.  Raha ny tarehimarika voaray omaly mantsy dia mety hahafaty olona manodidina ny 10 tapitrisa ny tsy fahombiazan’ny fampiasana fanafody hatramin’ny taona 2050 maneran-tany raha tsy voafehy. Natsangana ny drafitrasam-pirenena handresena izany na ny PAN RAM izay hiasa hatramin’ny taona 2023.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT