Sosialy

Fampiasana angovo azo havaozina “Tokony hifanatona amin’ny manampahaizana ny mpitondra.”


  • Talata 11 Jona 2019

Ampirisihana eto amin’ny firenena ankehitriny ny fampiasana angovo azo havaozina mba tsy hijaliana amin’ny resaka herinaratra intsony, indrindra, manoloana ny olana misy eo amin’ny orinasa Jirama.

 

 Araka ny nambaran’ny Mpahay angovo (énergiticien), Stellah Hery, dia anisan’ny fototra iray ahitana taratra ny fandrosoan’ny firenena iray io resaka angovo io. Raha vao tsy ampy io dia misy olana toy ny eto amintsika ny firenena iray. Ny angovo azo havaozina dia azo trandrahana tsara satria manankarena ny tanintsika raha io resaka io. Eo ny masoandro, ny rivotra, ny rano. Ny angovo azo avy amin’ny rano izao no mora trandrahana sy mora vidy kokoa, hoy ny tenany. Ny angovo azo avy amin’ny rivotra tsinona mety hisy fiantraikany amin’ny zava-manan’aina sy ny tontolo iainana raha tsy tandremana. Eo amin’ny resaka fiaraha-miasa anefa no tena hitako ho olana kanefa be dia be ny tekinisianina manampahaizana Malagasy. Tokony hifanatona amin’izy ireny ny mpitondra, hoy hatrany ity manampahaizana ity, satria tsy tokony hisy zavatra very eto na fako aza fa azo avadika ho angovo daholo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT