Sosialy

Fampiasam-bola eto Madagasikara Tsy nampanankarena ny Malagasy hatreto


  • Alakamisy 14 Jona 2018

Efa betsaka ny vola fanampiana efa azon’i Madagasikara saingy tsy tafavoaka hatrany ny firenena hatreto.

Lesoka ny fampiasana ny vola satria tsy mandeha amin’ny tokony ho izy ny fanodinana azy. Tsy mipaka amin’ny sarambabem-bahoaka ary tsy mitondra fampandrosoana mihitsy izany noho ny tsy fahaiza-mitantana. Tsiahivina fa 3 miliara dolara no azo tamin’ny tetikasa Madagasikara Am-Perinasa saingy noho ny sotasota sy ny toetsaina ory hava-manana dia tsy tonga hatramin’ny farany ny tanjon’ny filoha Ravalomanana. Ankoatra izay, eo ihany koa ny tetikasa Ambatovy sy ny QMM izay mamelona Malagasy maro ary mampiditra hetra amin’ny fanjakana. 2 miliara dolara eo ho eo ny vola azo saingy tsy misy akony amin’ny fiainan’ny Malagasy ary maro no tsy mahafantatra sy mahazo akory ny vola miditra manodidina azy. Ny fanampiana avy amin’ny Eoropeanina ho an’ny fampandrosoana (FED) dia nahatratra 2 miliara tao anatin’ny 5 taona kanefa nihemotra hatrany ny Malagasy ary zara raha mahatratra 4% ny tahan’ny fandrosoan’ny harinkaren’i Madagasikara. 17 miliara dolara eo ny fitambaran’ny vola efa azo miaraka tamin’ny vola voaray tamin’ny fikaonan-dohan’ny mpamatsy vola sy ny mpampiasa vola (CBI) saingy niha nahantra hatrany ny Malagasy. Tsizarizary ny fambolena sy fiompiana ary ratsy ny fotodrafitrasa, mainka mitombo ny kolikoly sy ny tsy filaminana. Araka izany, mila mpitantana vaovao sy mahomby ny fampiasam-bola eto Madagasikara. Raha tsy izay dia tsy misy fampandrosoana vanona eto.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT