Sosialy

Fampiakarana vidin’entana Velon-taraina ny mpanjifa


  • Zoma 08 Janoary 2021

Afaka omaly 2500 ariary ny kilaona vary gasy novidiako, hoy ny renim-pianakaviana iray, anio (TTF: omaly),

 

 vary mitovy ihany fa lasa 2800 ariary. Anatin’ny 2 andro monja izany dia efa nahitana fiakarana 300 ariary be izao ny vidim-bary. Velon-taraina manoloana ny fampiakarana vidin’entana izay toy ny tsy mampatahotra ireo mpivarotra intsony ny mpanjifa. Tena vokatry ny fiakaran’ny vidin’ireo entana afarana tokoa ve na noho ny fitotonganan’ny sandam-bola sa fanararaotana tsotra izao? Aiza ny tohin’ny fanaraha-maso sy ny fepetra raisin’ny fitondram-panjakana sy ny minisitera tomponandraikitra manoloana ny zava-misy? Tena vokatry ny faharatsian-dalana tokoa ve? Andrasana ny fanazavana sy vahaolana matotra avy amin’ireo voakasika rehetra.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT