Fampiakarana vidin’entana eny an-tsena

Hararaotina hatrany amin’ny fotoanan’ny orana


  • Alakamisy 05 Desambra 2024

Hararaotina hatrany amin’ny fotoanan’ny orana, tahaka izao, amin’ny ankapobeny,

ho an’ny ankamaroan’ireo mpivarotra ny fampiakarana vidin’entana eny an-tsena. Ny ankamaroan’ireo mpivarotra nanaovana fanadihadiana mikasika ny anton’izay sondro-bidy izay, indrindra, ho an’ireo filàna an-davan’andro, dia saika tsy mahalala akory ny anton’ilay fiakarana fa dia hoe noho ny rotsak’orana no valin-teny na koa hoe hatrany am-potony mihitsy. Misy fanazavàna mba azo raisina tamin’ireo sasany izao ny hoe noho ny fahapotehan’ny lalana dia manahirana ny fampiakaram-bokatra. Ny vary tsipala, ohatra, izao raha 2100 Ariary no vidiny teny amin’ny mpivarotra mahazatra ny herinandro teo dia efa tafasondrotra hatrany amin’ny 3200 Ariary be izao nanomboka ny 3 desambra. Ny vary gasy mena efa misy 3400 hatramin’ny 3500 Ariary. Ny entona fandrehitra na «gaz» kosa dia lasa 64.000 Ariary ny 9kg, raha toa ka 61.800 Ariary teo aloha, raha ny angom-baovao voaray hatrany. Asa fotsiny izay hitranga raha toa ny solika ka mbola hisondro-bidy koa! Aiza ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa? Aiza ny minisiteran’ny varotra sy fanjifàna?
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT