Sosialy

Fampiakarana ny karaman’ny mpiasam-panjakana Mila aro-fanina tsy hiteraka fisondrotam-bidim-piainana


  • Alatsinainy 06 Janoary 2020

Mandeha ho azy tahaka ny lalàn’ny tolotra sy ny tinady ny fiakaran’ny fidanganam-bidim-piainana aorian’ny fampiakarana karama.

 

 

Ankoatra ny fanararaotana fampiakarana vidin’entana ataon’ny mpivarotra amin’ny fanapahan-kevitra tahaka itony dia efa miditra vanim-potoana maitso ahitra ihany koa mantsy ny firenena ka tsy azo ihodivirana ny fahalafosam-piainana.  Mbola hisy ihany koa ny fifampiarahabana nahatrarana ny taona vaovao izao volana janoary sy febroary izao ka mbola maro ny vola hivoaka hahabe ny tinady hampiakatra ny vidim-piainana. Tsiahivina fa 215 629 ireo mpiasam-panjakana hisitraka ny fampiakarana 13% ny karama izay nambaran’ny filoham-pirenena nandritra ny lahateny tamin’ny faran’ny taona 2019 lasa teo. Tsy mahatratra 10% amin’ny ny vahoaka akory ireo saingy mifamatotra ary mifandray amina saha-pihariana marobe raha tsy hilaza fotsiny ny  amin’ny varotra sy ny fanjifana.  Na izany aza tsy tokony harahina fisondrotan’ny vidim-piainana ny fampiakarana ny karama raha misy ny arofanina apetraky ny fanjakana tahaka ny fanaraha-maso ny vidin-javatra eny an-tsena sy ny fampiroboroboana ny fanondranana entana hidiran’ny vola vahiny hahamarin-toerana ny Ariary sy hahasalama ny toekarena. Rehefa tsy izany dia hitovy amin’ny fampiakarana ny karama farany ambany teo ihany izany izay narahim-pidanganam-bidim-piainana nanempotra ny Malagasy.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT