Anio 29 aprily 2022 amin’ny 10 ora no voafaritra fa hanaovana ny fifampidinihan’ny filoha Rajoelina Andry hanasana ny sehatra tsy miankina ka hiresahan’izy ireo ny fomba fampiakarana, araka ny serasera navoakan’ny Fiadidian’ny Repoblika
mamaritra ny fandaharam-potoanan’ny Filoham-pirenena. Navoakan’ny fampahalalam-baovao akaiky ny fitondrana ihany koa ny hisian’io araka ny fanamafisana avy amin’ny Filohan’ny GEM na ny Vondron’ny mpandraharaha Atoa Thierry Rajaona. Nambarany araka ny notaterin’io Fampahalalam-baovao io, fa tsy ny olan’ny karama ihany no hodinihina ao fa ny tontolon’ny asa manontolo izay efa namafisiny hatrizay fa mila fifampidinihina matotra amin’ny fanjakana ny tontolon’ny fandraharana eto Madagasikara. Nisy izany teo aloha tamin’alalan’ilay sehatra “Dialogue Public Privé” ary somary niato izany nandritra ary taorian’ny fandalovan’ny valan’aretina Covid. Momba ny fiakaran’ny karama 9,9%, efa nihatra nanomboka ny voalohan’ny volana aprily izany ho an’ny sehatra tsy miakina, araka ny voalazan’ny filohan’ny GEM hatrany. Efa maro ireo orinasa nampiatra izany avy hatrany, tsy niandry ny didim-pitondrana araka ny voalazan’ny fanjakana raha ny nambaran’ity filoha ity hatrany. Manaja ny karama farany ambany ho 200.000 ariary avokoa ny orinasa tsy miankina voasoratra ara-dalana fa ireo tsy mbola tafiditra ao anatin’ny sehatry ny ara-dalana no tsy manaja izany, ho fanamarihana ny voalazan’ny minisitra mahakasika izay, hoy ny fanazavany. Heverina fa mbola hangotraka ny adihevitra na izany aza. Henjana mantsy ny handidy ny orinasa tsy miankina hampiakatra karama satria tena miankina betsaka amin’ny fiodin’ny orinasa, ny tombom-barotra,... ny ahafahana manao izany, ary mety samy hanana ny fahafaha-manaony.Hafa indray raha misy ny tohana na “subvention” avy amin’ny Fanjakana. Olana iray hafa eto Madagasikara ihany koa ny mbola maha ao anatin’ny sehatry ny tsy ara-dalàna ny manodidina ny 70% amin’ny asa eto Madagasikara. Ny fidangan’ny vidim-piainana anefa tena miantraika amin’ny rehetra fa tsy amin’ny mpiasam-panjakana sy ny mpiasa tsy miankina amin’ny sehatra ara-dalàna ihany. Ny avy amin’ny randrana sendikaly eto Madagasikara etsy andaniny efa nilaza fa na 30% aza ny fiakarana mbola tsy tena mifandraika amin’ny zava-misy. Ho henjana ny fandehan-javatra!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.