Sosialy

Fampiakarana karama Lasa mampidangana ny vidim-piainana indray


  • Alatsinainy 09 Mey 2022

Toy izay nitranga hatramin’izay dia miantsy vidim-piainana midangana indray ny fampiakarana karama, izay vahaolana,

natolotry ny fitondram-panjakana tamin’ity. Manomboka miseho ankehitriny ny efa nahian’ireo mpamakafaka sy mpanao politika maro. Eo ihany ny fiakaran’ny vidin’entana ilaina an-davan’andro fa nandrangaranga ny fikasany hampiakatra saran-dalana hatramin’ny 1000 ariary koa ny faran’ny herinandro teo ireo mpitatitra. Misy sekoly tsy miankina sasany aza efa mampahafantatra dien’izao ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ao aminy fa ho raketina 110.000 ariary be izao ny saram-pianarana ho amin’io taom-pianarana 2022-2023 hoavy io noho ny fidangan’ny vidim-piainana ankehitriny sy ny fifanarahana tamin’ny fanjakana ny amin’ny tokony hampiakarana ny karaman’ireo mpiasa. Mizaka ny tsy eran’ny ainy mihitsy izahay ray aman-dreny, hoy ny fanehoan-kevitra. Vahaolana tokoa ve ilay fampiakarana karama, hoy ny hafa? Mazava ho azy fa hitombo indray izany ny fahasahiranana eo amin’ny fanomanana fidiran’ny mpianatra. Ho ana sekoly tsy miankina iray eny Vinany Itaosy moa, raha ny fanazavana voaray, dia misy tolotra hoe azo aloha in-droa ny saram-pianarana sy saram-pisoratan’anaran’ny mpianatra. Ho an’ity sekoly voalaza ity tsinona raha atotaly izay saram-pianarana tsy voaloan’ny mpianatra izay dia mahatratra hatrany amin’ny 61 volana, izany hoe 61 ampitomboina 20.000 ariary na 1.220.000 ariary. Ny mpampianatra nefa tsy maintsy omena karama, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT