Sosialy

Fampiakaran-karaman’ny tsy miankina Hivoaka ny didy, hanao ahoana marina ?


  • Alarobia 25 Mey 2022

Raha ny 01 mey no nanaovan’ny Filoham-pirenena fandaharana momba ny fampiakaran-karama ho an’ny mpiasam-panjakana sy ny mpiasa tsy miankina, ary hihatra avy hatrany amin’ity volana may ity izany,

dia mbola tsy nivoaka aloha ny didim-panjakana mampanan-kery izany amin’ny fomba ofisialy. Tsy dia misy olana loatra ho an’ny mpiasam-panjakana satria efa voafaritra mazava fa 5 hatramin’ny 25% ny fiakarana arakaraka ny sokajy na “catégorie” eo amin’ny asa ka ny kely karama indrindra no mandray betsaka indrindra. Manjavozavo kosa ny an’ny tsy miankina ankoatra ny karama farany ambany izay nofaritana ho 250 000Ar, ary natsipy any amin’ny orinasa amin’izay hanaovany azy ao ny baolina ho an’ny sokajy ivelan’ny mikarama farany ambany. Ny adidin’ny orinasa makany amin’ny CNaPS na “charge patronale” manodidina ny 34 000Ar eo no tsy haloan’ny orinasa any amin’ny CNaPS ary ny Fanjakana no milaza handoa ny any amin’ny CNaPS. Samy miandry ny fampiharana ny rehetra, ka omaly no nanambara kosa ny Minisitry ny Asam-panjaka ary ny Lalàna sosialy Rtoa Gisèle Ranampy, fa hampahafantarina tsy ho ela ny besinimaro ny didim-panjakana fampiharana io fampiakarana karama ho an’ny sehatra tsy miankina. Nambarany fa efa vita ny didim-panjakana fa misy ny ambaratonga tsy maintsy lalovany. Tsy maintsy hivoaka tsy ho ela izany, hoy ny minisitra. Andrasana noho izany izay tena ho fisehony amin’ity resaka fampisondrotan-karama ity izay tsy misy ny tena tohana mivantana avy amin’ny Fanjakana rehefa zohiana, fa ny vola tokony haloan’ny orinasal ihany no aloany, ary maro aza ny orinasa sy mpiasa miahiahy hoe: tena ho voaloan’ny Fanjakana ve ilay vola nambarany fa horaisiny an-tànana ny fandrotsahana azy any amin’ny CNaPS satria iankinan’ny fisotroan-dronono io? Miankina tanteraka amin’ny fahalalan’ny orinasa ny fahafahana mampisondrotra karama amin’ny ankampobeny, ary manomboka tsy mampitovy hevitra ny mpiasa sy ny orinasa sasany ity resaka fampisondrotan-karama ity. Toa lasa mampiady ny mpampiasa sy ny mpiasa ny fanapahan-kevitra tsy tonga volana noraisin’ny fanjakana. Raha tsiahivina, nialohan’ny dinika niarahan’ny solonten’ny mpampiasa tamin’ny Fanjakana dia efa nisy ny famolavolana nataon’ny orinasal tsy miankina namaritra fa 9,9% ny taham-pisondrotan-karama voavolavola. Ho voatazona ve io sa hanao ahoana? Sa samy hanana ny azy arakaraka ny orinasa? Tena hihatra amin’ity volana mey ity tokoa ve ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT