Fampiakaran-karaman’ny

sehatra tsy miankina


  • Talata 16 Jona 2026

Nidinana ifotony ny orinasa iray eny Andranomena

Isan’ireo sendikan’ny mpiasa nisolo tena ny mpiasa malagasy tany amin’ny fihaonana an-tampony momba ny asa any Genève, Suisse, ny Randrana sendikaly. Miantso ny firaisankinan’ny mpiasa malagasy ity sendika ity mba hanamafy ny tolona hananana asa mendrika sy karama maha velona eto amin’ny firenena. Ny sendika manokana, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga, dia tsy mitsahatra ny mitaky hatramin’izao ny fampiharana ilay fampiakaran-karama eny anivon’ny sehatra tsy miankina. Isan’ny efa nidinana ifotony, hoy izy, ny orinasa iray eny Andranomena, izay tena mampitaraina ireo mpiasa ao an-toerana amin’izao fotoana ny zava-misy ao. Takiana ny minisiteran’ny asa mba handray fepetra haingana ary ny mpiasa koa, indrindra, ireo solontenan’ny mpiasa, dia entanina hanara-maso ny fampiharan’ireo mpampiasa ny nifanarahana. Ny atao hoe olana mivaha dia ny vola nifanarahana tonga any am-paosin’ny mpiasa. Nilaza ny hidina ifotony koa ireo mpanara-maso ny asa ka tokony hanatona ireny koa ireo solontenan’ny mpiasa sy isika mpiasa mba tsy ho variana amin’ny kivorivory fotsiny izy ireo fa tsy mivoaka akory avy eo ny karamantsika. Mila fantantsika fa ny fampiatoana tekinika dia tokony mbola hanohizana ny fampisitrahana ireo zo ara-kasa toy ny OSTIE sy CNaPs. Ny fandroahana ara-toekarena kosa dia midika fandoavana ny vola na zo tokony hisitrahan’ny mpiasa rehetra, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT