Sosialy

Fampiakaran-karama mbola tsy mihatra Ny didim-panjakana no erany, hoy ny CNaPS


  • Alarobia 08 Jona 2022

Nanao fanambarana mikasika ny fampiakarana ny karama farany ambany ho 250 000 Ariary ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy na ny CNaPS omaly.

Araka ny fanambarana nataon'Andriamatoa Filoham-pirenena ny voalohan'ny volana mey 2022 dia miakatra ho 250 000 Ariary ny karama farany ambany ho an'ny sehatra tsy miankina ary miakatra 5% hatramin’ny 25% kosa ho an’ny karaman'ny mpiasam-panjakana. Nitondra fampahafantarana ho an’ny mpikambana ao aminy kosa ny CNaPS fa ny fanatanterahana izany fampiakarana karama izany, mifandray amin'ireo fanampiana izay omen'ny CNaPS, dia miandry ny fivoahan'ny didim-panjakana, izay hamaritra ny fampiharana azy. Marihina moa fa ny 23 aprily no nilazana fa hakarina ny karaman’ny mpiasa tsy miankina, saingy hatramin’izao tsy mbola nivoaka ny didim-panjakana. Nanamafy ihany koa ny CNaPS tetsy ankilany fa ny fandoavana ny latsakemboka telovolana faharoa 2022 (aprily, may, jona) dia tsy mifarana raha tsy ny faha 31 jolay 2022. Noho izany, ireo mpampiasa izay tsy mbola nandoa ny telovolana voalohany 2022 sy ny taona taloha ihany no hiharan'ny fitakiana. Ny CNaPS dia anisan’ireo mpisehatra miantoka ny fampiroboroboana ny lafiny sosialy eto Madagasikara, hoy ny fanambarana. Araka izany, nilaza ity Tahirim-pirenena ity fa mitsipaka marin-drano izay mety ho fanambarana fa manohitra ny fampandrosoana himasoan'i Filoham-pirenena izy. Manome toky ireo mpikambana ihany koa ny CNaPS fa ny fanampiana rehetra toy ny fanampiana ho an'ny fianakaviana, ny vidi-takaitra sy ny fisotroan-dronono dia tsy misy fahatapahana ary mitohy hatrany araka ny lamina sy tetiandro efa napetraka. Ireo mpikambana no apetraky ny CNaPS hatrany ho laharam-pahamehana, hoy hatrany ity fanambarana ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT