Sosialy

Fampanjarian-tsakafo any Atsimo Ozinina fitotoana mangahazo 13 tafapetraka


  • Talata 10 Novambra 2020

Anisan’ny vahaolana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny tsy fahampian’ny sakafo any amin’ ny faritra atsimo ny fitehirizana sy ny fanodinana ny mangahazo ho «gari » na koba.

 

 

 Mitondra hery sy tanjaka ny gary ary azo afangaro amin’ ny sakafo hafa sy azo tehirizina mandritra ny 3 taona raha 3 volana fotsiny ny faharetan’ny mangahazo maina. Manoloana izany, dia manohana ireo fikambanan’ny tantsaha misehatra eo amin’ity seha-pihariana mangahazo ity ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana ary ny Jono (MAEP) amin’ny alalan’ny fandaharan’asa DEFIS izay vatsian’ny FIDA vola, ka nanome tohana tamin’ny fametrahana sy fampitaovana ny toerana fanodinana ny mangahazo ho “gari” ary nanampy ihany koa tamin’ ny famarotana ny vokatra. Ankehitriny, miisa 13 ny toerana fanodinana mangahazo ho lasa “gari” efa nomen’ ny Fandaharanasa DEFIS tosika ary efa misy “gari” 44T nahitana lalam-barotra iarahan’ ireo fikambanan’ ny tantsaha amin’ ny PAM sy ny « Banque Alimentaire », hoy ny fanomezam-baovao.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT