Sosialy

Fampandrosoana ifotony eny amin’ny faritra Nalaina ny hevitr’ireo ben’ny tanàna


  • Alakamisy 12 Jolay 2018

Nisy ny atrikasa ho fanentanana ny drafitra ho fampandrosoana ifotony isam-paritra izay ao anatin’ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy tetsy amin’ny Hotel Carlton Anosy.

Nanomboka tamin’ny talata lasa teo ity atrikasa ity ary ho tapitra ny alakamisy 12 jolay. Ao anatin’izay no nisian’ny fampiofanana ireo mpisehatra eny amin’ireny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ireny. Ny fikambanana iraisam-pirenen’ny tany miteny frantsay (OIF) sy ireo fikambanan’ny renivohitra sy vondrom-bahoakan’ny oseana Indiana no nikarakara ny hetsika. Nisy ny fanadihadiana sy fakan-kevitra momba ny fahitan’ireo tompon’andraikitra tahaka ny ben’ny tanàna ny  fampandrosoana ifotony eny amin’ny misy azy any. Nahavelom-bolo azy ireo izany satria hatramin’izay dia zavatra efa apetraka hatrany no hita amin’ny atrikasa tahaka itony, hany ka tsy mifanaraka amin’ny zava-misy marina.  Tombony amin’ity ny hevitra sy ny hetaheta eny amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana mihitsy no tadiavina ny fampiharana azy. Rariny izany satria  ny tompon’andraikitra eny no mahalala tsara ny resaka  fotodrafitrasa maro samihafa tokony hatao mba hiteraka ny fampandrosoana ifotony. Araka izany dia tsy maintsy manana drafitra ireo ben’ny tanàna indrindra indrindra ahafahana mampandroso ny faritra iadidiany. Ankoatr’izay dia efa mamolavola ny didim-panjakana amin’ny fahafahan’ny kaominina mifandray mivantana amin’ny mpiara-miombon’antoka ny minisiteran’ny atitany. Andrasana ny fiaraha-miasa matotra hisy amin’ny fitondrana sy ny kaominina, indrindra ny fiatraikany  amin’ny fiainam-bahoaka andavanandro, araka ny hetahetan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana.

Tsiry


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT