Sosialy

Fampandrosoana an’Antananarivo Nanome 8 miliara ariary mahery ny AFD


  • Zoma 28 Septambra 2018

Omaly alakamisy 27 septambra no natao tetsy amin’ny minisiteran’ny fitantanam-bola sy ny tetibola tetsy Antaninarenina ny fifanaovan-tsonia ho fiaraha-miasa amin’ny Masoivoho Frantsay ho amin’ny fampandrosoana (AFD).

 

 

 

Famatsiam-bola mitentina 2 tapitrisa Euro na 8 017 180 000 Ariary (1Euro=4008, 59 Ar) no nentin’ny AFD hanampiana ny ivontoerana nasionaly ho amin’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana ifotony (INDDL). Ao anatin’ilay tetikasa GUGA (Gouvernance Urbainedu Grand Tana) izay hampandrosoana ny kaominina miisa 27 manodidina ny renivohitra  ary hanatevenanana ny fahaiza-manaon’ny mpanajary ny tanàna ity fifanaovan-tsonia ity. Hibahan-toerana amin’izany ny  fampianarana sy ny fampiofanana maro ary ny fanamafisana ny fahaiza-manao ho fampiroboroboana ny tanànan’Antananarivo sy ny manodidina. Mifanindran-dalana amin’io famatsiam-bola hanampiana an’ny INDDL io ny famoronana ny ivom-panajariana ny tanànan’Antananarivo sy ny manodidina (IPAM) izay hahazoana vola mitentina 3 tapitrisa Euro na 12 0250 770 000 Ar ihany koa.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT